8 Ary niaraka tamin'izay, nony nijery manodidina izy ireo, dia tsy nisy hitany intsony na iza na iza afa-tsy Jesosy irery ihany, Izay teo aminy.
9 Ary nony nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin'olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.
10 Ary nitana izany teny izany izy ka nifampaka saina ny amin'izay hevitr'izany fitsanganana amin'ny maty izany.
11 Dia nanontany an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Lazain'ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha.
12 Ary Izy nanao taminy hoe: Elia dia avy aloha ihany ka mampody ny zavatra rehetra. Ary ahoana kosa no nanoratana ny amin'ny Zanak'olona fa tsy maintsy mijaly mafy Izy ka hatao tsinontsinona?
13 Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga Elia, sady nataon'ny olona taminy izay sitraky ny fony araka ny nanoratana azy.
14 Ary nony tonga teo amin'ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy.