3 Filipo sy Bartolomeo; Tomasy sy Matio mpamory hetra; Jakoba, zanak'i Alfeo,
4 sy Tadeo; Simona Kananeana ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.
5 Ireo roa ambin'ny folo lahy ireo dia nirahin'i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any amin'ny lalan'ny jentilisa, ary aza miakatra amin'izay tanànan'ny Samaritana,
6 fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely.
7 Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
8 Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.
9 Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin'ny fehin-kibonareo,