12 Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina izy, fandrao azo'ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao azon'ny fampianaran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.
13 Ary rehefa tonga tany amin'ny faritanin'i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa ny Zanak'olona?
14 Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin'ny mpaminany.
15 Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?
16 Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra velona.
17 Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.
18 Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.