6 Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy.
7 Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanànany.
8 Dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa ny efa nasaina no tsy miendrika.
9 Koa mankanesa ianareo any amin'ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin'ny fampakaram-bady.
10 Dia nivoaka ho any amin'ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady.
11 Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady.
12 Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy.