26 Ary dia nandefa an'i Barabasy ho an'ny olona izy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony mba hohomboana tamin'ny hazo fijaliana.
27 Ary ny miaramilan'ny governora dia nitondra an'i Jesosy ho ao anati-rova sady nanangona ny miaramila namany rehetra ho eo aminy.
28 Ary rehefa nanala ny fitafiany, dia nanafy Azy lamba jaky izy.
29 Ary nandrandrana satroka tsilo izy, ka nasatrony ny lohany, ary nampitaniny volotara ny tànany ankavanana, dia nandohalika teo anatrehany izy ka naneso Azy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!
30 Dia nororany Izy, ary nalainy ny volotara ka nokapohiny ny lohany.
31 Ary rehefa naneso Azy izy, dia nanala ilay lamba taminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany, ary dia nentiny Izy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana.
32 Ary raha nandeha izy, dia nahita lehilahy Kyreniana anankiray, atao hoe Simona, ka izy notereny hitondra ny hazo fijalian'i Jesosy.