9 Fa Andriamanitra, Izay tompoin'ny fanahiko amin'ny filazantsaran'ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho,
10 dia mangataka fandrao mba hisy hahafahako amin'izao ho tonga aminareo, raha sitrapon'Andriamanitra.
11 Fa maniry hahita anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina ianareo,
12 izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin'ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.
13 Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankatỳ aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin'ny jentilisa sasany.
14 Ananan'ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho;
15 koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho.