9 satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao.
10 Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena.
11 Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Isa. 28. 16).
12 Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy.
13 Fa izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena (Joe. 3. 5).
14 Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?
15 Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly! (Isa. 52. 7).