3 Jehovah ô, efa namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy: ary izaho irery ihany no sisa, ka mitady ny aiko koa izy? (1 Mpan. 19. 14).
4 Fa ahoana no navalin'Andriamanitra azy? Izaho efa niaro fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy mba nandohalika tamin'i Bala (1 Mpan. 19. 18).)
5 Dia toy izany koa amin'izao andro ankehitriny izao misy sisa ihany araka ny fifidianana amin'ny fahasoavana.
6 Ary raha avy amin'ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin'ny asa intsony; fa raha izany, dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana.
7 Ahoana ary? Izay notadiavin'ny Isiraely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany, fa nohamafìna ny fon'ny sisa;
8 araka ny voasoratra hoe: Andriamanitra efa nanome azy fanahy sondrian-tory sy maso tsy hahita, ary sofina tsy hahare, mandraka androany(Isa 29. 10; Deo. 29. 3)
9 Ary hoy Davida: Aoka ny latabany ho fandrika sy ho tonta Ary ho fahatafintohinana sy ho famaliana azy;