21 sady nahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin'ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin'ny fahafahana izay momba ny voninahitr'ireo zanak'Andriamanitra.
22 Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny;
23 ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan'anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika.
24 Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan'ny olona izay efa hitany?
25 Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana.
26 Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina.
27 Ary Izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an'Andriamanitra ny fifonany ho an'ny olona masina.