4 izay Isiraelita sady manana ny fananganan'anaka sy ny voninahitra sy ny fanekena sy ny fanomezana ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny teny fikasana;
5 azy koa ny razana, sady avy taminy araka ny nofo Kristy, Izay ambonin'izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amena.
6 Kanefa tsy lazaiko fa foana ny tenin'Andriamanitra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy amin'ny Isiraely no Isiraely.
7 Ary na dia taranak'i Abrahama aza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; fa avy amin'isaka no hantsoina izay taranaka ho anao (Gen. 21. 12).
8 Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.
9 Fa izao no filàzan'ny teny fikasana: Raha avy ny taona toy izao, dia ho avy Aho, ary hanana zazalahy Saraha (Gen. 18. 10).
10 Ary tsy izany ihany, fa Rebeka koa dia nanan'anaka tamin'ny anankiray, dia tamin'isaka razantsika;