1 Fa Solomona mpanjaka tia vehivavy maro hafa firenena, fa tsy ilay zanakavavin'i Farao ihany, dia vehivavy Moabita sy Amonita sy Edomita sy Sidoniana ary Hetita,
2 dia vehivavy avy amin'ny firenena izay nolazain'i Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Tsy hanambady azy ianareo, ary izy tsy hanambady anareo, fa hampivily ny fonareo hanaraka ny andriamaniny tokoa izy; kanjo tamin'ireo no niraiketan'ny fitiavan'i Solomona.
3 Ary dia nanana vady andriambavy fiton-jato sy vaditsindrano telonjato izy, ka nampivily ny fony ireo vadiny ireo.
4 Fa nony efa antitra Solomona, dia navilin'ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida rainy.
5 Fa Solomona nanaraka an'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Milkoma, fahavetavetan'ny Amonita.
6 Ary Solomona nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka tsy mba tanteraka tamin'ny fanarahana Azy tahaka an'i Davida rainy.
7 Ary tamin'izany Solomona dia nanao fitoerana avo ho an'i Kemosy, fahavetavetan'i Moaba, teo amin'ny havoana tandrifin'i Jerosalema, ary ho an'i Moloka, fahavetavetan'ny taranak'i Amona.