1 Tamin'izany andro izany dia narary Abia, zanak'i Jeroboama.
2 Ary hoy Jeroboama tamin'ny vadiny: Masìna ianao, mitsangàna, ka miovà endrika, mba tsy ho fantatr'olona ho vadin'i Jeroboama ianao; dia mankanesa any Silo, fa, indro, ao Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho mpanjakan'ity firenena ity aho.
3 Koa mitondrà mofo folo sy mofo madinika ary tantely iray tavoara, ka mankanesa any aminy; fa izy hanambara aminao izay ho toetry ny zaza.
4 Dia nanao araka izany ny vadin'i Jeroboama ka niainga nankany Silo izy, dia nankao an-tranon'i Ahia. Ary Ahia tsy nahita, fa efa pahina ny masony noho ny fahantrany.
5 Ary Jehovah efa nilaza tamin'i Ahia hoe: Indro, avy ny vadin'i Jeroboama hanontany anao ny amin'ny zanany, fa marary izy; ary izao ka izao no holazainao aminy; nefa raha miditra izy, dia hody vehivavy hafa.
6 Ary nony ren'i Ahia ny fingodongodon'ny tongony, raha vao niditra teo am-baravarana izy, dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin'i Jeroboama; nahoana ianao no mody olonkafa? Fa izaho dia nirahina hitondra teny mafy aminao.