1 Ary tonga tamin'i Jeho, zanak'i Hanany, ny tenin'i Jehovah ny amin i Basa nanao hoe:
2 Satria nasandratro avy tamin'ny vovoka ianao ka notendreko ho mpanapaka ny Isiraely oloko; nefa kosa nandeha tamin'ny lalan'i Jeroboama ihany ianao ary nampanota ny Isiraely oloko ka nampahatezitra Ahy tamin'ny fahotany,
3 dia, indro, hofongorako Basa sy ny taranany, ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak'Jeroboama, zanak'i Nebata.
4 Koa izay tamingan'i Basa maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha dia hohanin'ny voro-manidina.
5 Ary ny tantaran'i Basa sisa mbamin'izay nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?