1 Mpanjaka 2:1-7 MG1865

1 Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zananilahy izy hoe:

2 Izaho efa handeha amin'ny lalan-kalehan'ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy.

3 Ary tandremo izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,

4 mba hanatanterahan'i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin'ny fahamarinana amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao.

5 Ary ianao koa mahalala izay nataon'i Joaba, zanak'i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin'izy roa lahy komandin'ny miaramilan'ny Isiraely, dia tamin'i Abnera, zanak'i Nera, sy tamin'i Amasa, zanak'i Jatera, izay novonoiny sady nalatsany rà toy ny amin'ny ady, nefa tsy nisy ady tsinona, ka nasiany rà toy ny amin'ny ady ny fehin-kibony teny am-balahany sy ny kapany teny an-tongony.

6 Koa manaova araka ny fahendrenao, ary aza avela hidina any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'ny fiadanana ny volo fotsiny.

7 Fa ny zanak'i Barzilay Gileadita kosa dia asio soa, ka avelao mba ho isan'izay mihinana eo amin'ny latabatrao izy; fa hanao soa toy izany no nankanesan'ireo tany amiko, fony nandositra an'i Absaloma rahalahinao aho.