26 Folo hakiho ny hahavon'ny kerobima iray, ary tahaka io ihany koa ny kerobima anankiray.
27 Ary ny kerobima nataony tao afovoan'ny trano anatiny; ary ny elany nataony mivelatra, ka ny ilany samy nipaka tamin'ny rindrina avy, ary ny ilany nifanendry teo afovoan'ny trano.
28 Ary nopetahany takela-bolamena ny kerobima.
29 Ary ny rindrina manodidina nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, na ny efitra anatiny, na ny ati-trano lehibe.
30 Ary nopetahany takela-bolamena ny gorodona, na ny teo amin'ny efi-trano anatiny, na ny teo amin'ny ati-trano lehibe.
31 Ary ny varavarana mankao amin'ny efitra anatiny dia nasiany lela-varavarana hazo oliva kopa-droa, ary ny tolany sy ny momba azy dia ampahadimin'ny sakan-trano.
32 Ny lela-varavarana hazo oliva kopa-droa dia nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, ary, nopetahany volamena manify ny kerobima: sy ny hazo rofia.