49 dia henoy any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy;
50 eny, mamelà ny heloky ny olonao izay nanota taminao sy ny fahadisoany rehetra izay nataony taminao, ary ataovy mahazo famindram-po amin'izay mamabo azy izy, dia ny hamindran'ireo fo aminy;
51 fa olonao sy lovanao izy, izay nentinao nivoaka avy tany Egypta, dia avy tao amin'ny memy fandrendreham-by,
52 mba hihiratan'ny masonao amin'ny fifonan'ny mpanomponao sy ny fifonan'ny Isiraely olonao hihaino azy amin'izay rehetra iantsoany Anao.
53 Fa Hianao, Jehovah, Tompo ô no nanavaka azy tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany ho lovanao, araka izay nampilazainao an'i Mosesy mpanomponao tamin'ny nitondranao ny razanay nivoaka avy tany Egypta.
54 Ary rehefa vita izany vavaka sy fifonana vehetra nataon'i Solomona tamin'i Jehovah: any, dia nitsangana niala teo amin'ny alitaran'i Jehovah izay efa nandohalehan'ny lohaliny sy efa namelarany ny tànany ho amin'ny lanitra izy.
55 Ary nitsangana izy ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, tamin'ny feo mahery hoe: