64 Ary androtr'io ihany no nanamasinan'ny mpanjaka ny afovoan'ny kianja izay teo anoloan'ny tranon'i Jehovah; fa teo no nanaterany fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary ny saboran'ny fanati-pihavanana; fa kely loatra ny alitara varahina izay teo anatrehan'i Jehovah ka tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny saboran'ny fanati-pihavanana.