20 Fa Mikala, zanakavavin'i Saoly kosa tia an'i Davida; ary nisy nanambara izany tamin'i Saoly, ka sitrak'i Saoly izany.
21 (Fa hoy Saoly: Homeko azy izy, mba ho fandrika aminy ka hamelezan'ny tanan'ny Filistina azy.) Dia hoy Saoly tamin'i Davida: Fanindroan'ny maha-vinantoko anao izao.
22 Ary Saoly nandidy ny mpanompony hoe: Miresaha mangingina amin'i Davida, ka ataovy hoe: Indro, tian'ny mpanjaka ianao, ary ny mpanompony rehetra tia anao; ka dia maneke ihany ho vinanton'ny mpanjaka ianao.
23 Ary ny mpanompon'i Saoly nilaza izany teny izany tamin'i Davida. Fa hoy Davida: Moa ataonareo ho zavatra kely izany ho vinanton'ny mpanjaka? Tsy hitanareo va fa izaho dia olona malahelo sady tsy manan-daza?
24 Ary ny mpanompon'i Saoly nilaza taminy hoe: Izany no navalin'i Davida.
25 Dia hoy Saoly: Izao no holazainareo amin'i Davida: Ny mpanjaka tsy mila harena be ho vodiondry, fa ny mariky ny fahafatesan'ny Filistina zato lahy ihany, mba ho famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr'i Saoly hahafaty an'i Davida amin'ny tanan'ny Filistina izany.
26 Ary rehefa nambaran'ny mpanompon'i Saoly tamin'i Davida izany teny izany, dia sitrak'i Davida ny ho vinanton'ny mpanjaka. Ary raha tsy mbola tapitra ny fetr'andro,