22 Ary Saoly nandidy ny mpanompony hoe: Miresaha mangingina amin'i Davida, ka ataovy hoe: Indro, tian'ny mpanjaka ianao, ary ny mpanompony rehetra tia anao; ka dia maneke ihany ho vinanton'ny mpanjaka ianao.
23 Ary ny mpanompon'i Saoly nilaza izany teny izany tamin'i Davida. Fa hoy Davida: Moa ataonareo ho zavatra kely izany ho vinanton'ny mpanjaka? Tsy hitanareo va fa izaho dia olona malahelo sady tsy manan-daza?
24 Ary ny mpanompon'i Saoly nilaza taminy hoe: Izany no navalin'i Davida.
25 Dia hoy Saoly: Izao no holazainareo amin'i Davida: Ny mpanjaka tsy mila harena be ho vodiondry, fa ny mariky ny fahafatesan'ny Filistina zato lahy ihany, mba ho famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr'i Saoly hahafaty an'i Davida amin'ny tanan'ny Filistina izany.
26 Ary rehefa nambaran'ny mpanompon'i Saoly tamin'i Davida izany teny izany, dia sitrak'i Davida ny ho vinanton'ny mpanjaka. Ary raha tsy mbola tapitra ny fetr'andro,
27 dia niainga Davida, ary nandeha izy sy ny olony ka nahafaty Filistina roan-jato, lahy ary Davida nitondra ny mariky ny fahafatesany ka nanisa azy teo anatrehan'ny mpanjaka mba hahavinanton'ny mpanjaka azy. Dia nomen'i Saoly ho vadin'i Davida Mikala zananivavy.
28 Ary Saoly nahita sy nahalala fa Jehovah nomba an'i Davida; ary Mikala zananivavy tia azy.