14 Ary nony naniraka haka an'i Davida Saoly, dia hoy ny vavy: Marary izy.
15 Ary Saoly naniraka ny olona hizaha an'i Davida indray ka nanao hoe: Ento miakatra atỳ amiko amin'ny farafara izy hovonoiko.
16 Dia niditra ny iraka, kanjo, indro, ny sampy no teo am-parafara, ary voasaron'ilay makarakara volon'osy ny lohany.
17 Dia hoy Saoly tamin'i Mikala: Nahoana ianao no namitaka ahy toy izany ka nandefa ny fahavaloko, ary afa-nandositra izy? Fa hoy Mikala tamin'i Saoly: Hoy izy tamiko: Avelao aho handeha, fandrao hovonoiko
18 Dia nandositra Davida ka afaka ary tonga tany amin'i Samoela tany Rama, dia nambarany azy izay rehetra nataon'i Saoly taminy; ary nandeha izy sy Samoela ka nonina tany Naiota.
19 Ary nisy nanambara tamin'i Saoly hoe: Indro, Davida ao Naiota any Rama.
20 Ary Saoly naniraka olona hisambotra an'i Davida; ary nony hitan'ireo ny mpaminany tafangona sy maminany ary Samoela mitsangana eo ho lohany, dia tonga tamin'ny irak'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra. ka dia mba naminany koa izy.