1 Ary Davida niala teo ka nandositra nankany amin'ny zohin'i Adolama; ary nony nandre izany ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy, dia nidina tany aminy ireo.
2 Ary izay mahantra rehetra sy izay mpitrosa rehetra ary izay manana alahelo am-po rehetra dia nivory tao aminy, ary izy no tonga mpifehy azy; ka dia tonga tokony ho efa-jato lahy ny tao aminy.
3 Ary Davida niala tao nankany Mizpa any Moaba ka nanao tamin'ny mpanjakan'i Moaba hoe: Masìna ianao, avelao ny raiko sy ny reniko ho avy atỳ hitoetra etỳ aminao ambara-pahafantatro izay hataon'Andriamanitra amiko.
4 Ary dia nentiny ho eo anatrehan'ny mpanjakan'i Moaba izy ireo ka nonina teo aminy tamin'ny andro rehetra nitoeran'i Davida tao amin'ny batery fiarovana.
5 Ary hoy Gada mpaminany tamin'i Davida: Aza mitoetra ao amin'ny batery fiarovana; fa mialà, ka mankanesa any amin'ny tanin'ny Joda. Dia nandeha Davida ka tonga tany an'ala Hareta.