25 Ary nandeha Saoly sy ny mpanompony hitady azy. Ary nolazaina tamin'i Davida izany, ka dia nidina tany amin'ny harambato izy ka nitoetra tany an-efitr'i Maona. Ary nony ren'i Saoly izany, dia nanenjika an'i Davida tany an-efitr'i Maona izy.
26 Ary Saoly nandeha tamin'ny ilan'ny tendrombohitra iray, fa Davida sy ny olony tamin'ny ilany kosa; ary niezaka mafy handositra Davida noho ny tahony an'i Saoly; fa Saoly sy ny olony saiky nahodidina an'i Davida sy ny olony hisambotra azy.
27 Dia nisy iraka tonga tao amin'i Saoly nanao hoe: Avia haingana ianao, fa ny Filistina efa manafika ny tany.
28 Dia niverina Saoly tamin'ny nanenjehany an'i Davida ary nandeha niady tamin'ny Filistina; ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe: Sela-hamalekota.