14 Ary Abigaila, vadin'i Nabala, dia nilazan'ny anankiray tamin'ny zatovony hoe: Indro, Davida naniraka olona avy tany an-efitra mba hiarahaba ny tompontsika, nefa nisafoaka tamin'ireny izy.
15 Fa ireo lehilahy ireo dia nanao tsara tokoa taminay, ka tsy naninona tsy naninona izahay, ary tsy nisy zavatra very tamin'izay andro nitoeranay tao aminy, fony tany an-tsaha izahay.
16 Izy no mandanay andro aman'alina tamin'ny andro rehetra nitoeranay niandry ondry tao aminy.
17 Koa dia fantaro sy hevero ankehitriny izay hataonao; fa ratsy no ifofoan'ny tompontsika mbamin'ny ankohonany rehetra; fa Nabala dia tena ratsy fanahy, ka tsy misy olona mahazo miteny aminy.
18 Dia nandeha faingana Abigaila ka naka mofo roan-jato sy divay eran'ny tavoara roa sy ondry dimy voavoatra sy lango indimin'ny vata sy takela-boaloboka maina zato ary ampempan'aviavy roan-jato, dia nasampiny tamin'ny boriky izany.
19 Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Mandehana eo alohako, indro, izaho hanaraka anareo; nefa Nabala vadiny tsy mba nilazany.
20 Ary tamin'izany, nony nitaingina ny borikiny izy ka nidina tao amin'ny takon'ny havoana, dia indro, Davida sy ny olony nidina nanatona azy, ary izy nifanena taminy.