1 Ary Davida nanao anakampo hoe; Mbola ho fatin'ny tànan'i Saoly ihany aho indray androany; tsy misy mahasoa ahy afa-tsy ny mandositra haingana any amin'ny tanin'ny Filistina, dia hamoy ahy Saoly ka tsy hitady ahy eran'ny tanin'ny Isiraely intsony, dia ho afaka amin'ny tànany aho.
2 Ary niainga Davida nandeha mbamin'ny enin-jato lahy nanaraka azy nankany amin'i Akisy, zanak'i Maoka, mpanjakan'i Gata.
3 Ary nitoetra tao amin'i Akisy tao Gata Davida, dia izy sy ny olony, samy nomban'ny ankohonany avy, ary Davida mbamin'ny adiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila Karmelita, ilay novinadin'i Nabala.
4 Ary nambara tamin'i Saoly fa Davida efa nandositra nankany Gata, ka dia tsy nitady azy intsony izy.