6 Ka dia niara-maty Saoly sy ny zanany telo lahy ary ny ankohonany rehetra.
7 Ary nony hitan'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely teny amin'ny lohasaha fa nandositra ny olona, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tamin'ny tanànany izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.
8 Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin'ny faty ny Filistina, dia nahita an'i Saoly sy ny zananilahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.
9 Dia nesoriny ny akanjony, ka nentiny ny lohany sy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin'ny tanin'ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany tamin'ny sampiny sy ny olona.
10 Dia napetrany tao an-tranon'ny andriamaniny ny fiadian'i Saoly, ary nohomboany teo amin'ny tempolin'i Dagona ny lohany.
11 Ary nony ren'ny mponina rehetra tao Jabesi-gileada izay rehetra nataon'ny Filistina tamin'i Saoly,
12 dia niainga ny lehilahy mahery rehetra naka ny fatin'i Saoly sy ny fatin'ny zanany ka nitondra azy ho any Jabesy, ary nandevina ny taolany teo ambanin'ilay hazo terebinta tany Jabesy izy, ary dia nifady hanina hafitoana.