1 Ary Davida nanao trano ho azy tao an-Tanànan'i Davida sady namboatra fitoerana sy nanorin-day ho an'ny fiaran'Andriamanitra.
2 Ary tamin'izay dia hoy Davida: Tsy misy tokony hitondra ny fiaran'Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany, satria izy no efa nofidin'i Jehovah hitondra ny fiaran'Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakizay.
3 Dia novorin'i Davida tany Jerosalema ny Isiraely rehetra hampakatra ny fiaran'i Jehovah ho any amin'ny fitoerana izay namboariny ho azy.
4 Ary novorin'i Davida ny taranak'i Arona sy ny Levita:
5 tamin'ny taranak'i Kehata dia Oriela lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby zato;
6 tamin'ny taranak'i Merary dia Asaia lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby roan-jato;
7 tamin'ny taranak'i Gersona dia Joela lehibeny sy ny rahalahiny telo-polo amby zato;