3 Dia nizara mofo iray avy sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka ho an'ny Isiraely rehetra na lahy na vavy izy.
4 Ary ny Levita sasany notendren'i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan'ny fiaran'i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:
5 Asafa no lohany, ary Zakaria no nanarakaraka, dia Jeiela sy Semiramota sy Jehiela sy Matitia sy Eliaba sy Benaia sy Obed-edoma ary Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa Asafa no nampaneno ny kipantsona;
6 Benaia sy Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra.
7 Tamin'izay andro izay no voalohan'ny nanendren'i Davida an'i Asafa sy ny rahalahiny hidera an'i Jehovah.
8 Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany.
9 Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.