14 Ary Davida nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin'ny fahamarinana.
15 Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no komandin'ny miaramila; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana.
16 Ary Zadoka, zanak'i Ahitoba, sy Abimeleka, zanak'i Abiatara, no mpisorona; ary Saosa no mpanoratra.
17 Ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; ary ny zanak'i Davida no lehibe tamin'izay nanolotra ny mpanjaka.