2 Dia hoy Davida tamin'i Joaba sy tamin'ireo lehiben'ny vahoaka: Mandehana, isao ny Isiraely hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana; ary ento atỳ amiko ny isany mba ho fantatro.
3 Fa hoy Joaba: Jehovah anie hampitombo ny olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon'ny tompoko izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan'ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana no dia hampahadiso ny Isiraely?
4 Nefa tsy azon'i Joaba nolavina ny tenin'ny mpanjaka; ka dia niainga izy ka nitety ny Isiraely rehetra; dia tonga tany Jerosalema indray izy.
5 Ary natolotr'i Joaba an'i Davida ny isan'ny olona voalamina, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Isiraely; ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Joda.
6 Fa ny Levy sy ny Benjamina tsy mba nalaminy, satria fahavetavetana tamin'i Joaba ny tenin'ny mpanjaka.
7 Ary tsy sitrak'Andriamanitra izany zavatra izany; ka dia namely ny Isiraely Izy.
8 Ary hoy Davida tamin'Andriamanitra; Efa nanota indrindra aho tamin'izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho.