28 Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak'i Arona amin'ny fanompoana ao an-tranon'i Jehovah amin'ireo kianja sy efi-trano tao ary amin'ny fanadiovana ny zavatra masina rehetra sy ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra,
29 ary amin'ny mofo aseho sy ny koba tsara toto ho fanatitra hohanina sy amin'ny mofo manify tsy misy masirasira sy amin'izay endasina amin'ny lapoely sy amin'izay vonton-diloilo ary amin'ny famarana sy ny fandrefesana rehetra,
30 ary ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera an'i Jehovah, ary toy izany koa amin'ny hariva,
31 ary ny hanatitra ny fanatitra dorana rehetra ho an'i Jehovah na amin'ny Sabata, na amin'ny voaloham-bolana, na amin'ny fotoam-pivavahana hafa dia araka ny isany avy, sy araka ny fanao voatendry hanaovana azy mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.
32 Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin'ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin'ny fitoerana masina ary ny anjara-raharahany ny amin'ny taranak'i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon'i Jehovah.