1 Ary ny amin'ny taranak'i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara;
2 fa Nadaba sy Abiho dia maty talohan-drainy sady samy tsy nanan-janaka, koa dia Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana.
3 Ary Davida sy Zadoka, isan'ny taranak'i Eleazara, sy Ahimeleka, isan'ny taranak'Itamara, dia nizara azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy.
4 Ary ny lohany tamin'ireo, dia tamin'ny taranak'i Eleazara, no maromaro kokoa noho ny tamin'ny taranak'Itamara, ka dia nozarainy toy izao izy: Tamin'ny taranak'i Eleazara dia enina ambin'ny folo no lohan'ny fianakaviana; ary tamin'ny taranak'Itamara dia valo kosa no lohan'ny fianakaviana.