11 Ny fahavalo, ho amin'ny volana fahavalo, dia Sibekay Hosatita, isan'ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
12 Ny fahasivy, ho amin'ny volana fahasivy, dia Abiezera Anatotita, Isan'ny Benjamita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
13 Ny fahafolo, ho amin'ny volana fahafolo, dia Maharay Netofatita, isan'ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
14 Ny fahiraika ambin'ny folo, ho amin'ny volana fahiraika ambin'ny folo, dia Benaia Piratonita, isan'ny taranak'i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
15 Ny faharoa ambin'ny folo, ho amin'ny volana faharoa ambin'ny folo, dia Helday Netofatita, isan'ny taranak'i Otniela; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
16 Ary izao no lohan ny firenen'Isiraely: Tamin'ny Robenita dia Eliezera, zanakalahin'i Zikry; tamin'ny Simeonita dia Sefatia, zanakalahin'i Maka;
17 tamin'ny Levita dia Hasabia, zanakalahin'i Kemoela; tamin'ny Aronita dia Zadoka;