26 ary ny mpifehy ny mpiasa tany an-tsaha hiasa ny tany dia Ezry, zanak'i Keloba;
27 ary ny tonian'ny tanim-boaloboka dia Simey Ramatita; ary ny tonian'ny divay tehirizina any amin'ny tanim-boaloboka dia Zebdy Sifmita;
28 ary ny tonian'ny hazo oliva sy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Bala-hanana Gaderita; ary ny tonian'ny diloilo tehirizina dia Joasy;
29 ary ny tonian'ny omby nandrasana tany Sarôna dia Sitray Sarônita; ary ny tonian'ny omby tany an-dohasaha dia Safata, zanak'i Adlay;
30 ary ny tonian'ny rameva dia Obila Ismaelita; ary ny tonian'ny borikivavy dia Jedda Meronotita;
31 ary ny tonian'ny ondry aman'osy dia Jaziza Hagarita. Ireo rehetra ireo no tonian'ny fananan'i Davida mpanjaka.
32 Ary Jonatana, rahalahin-drain'i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sady be fahalalana izy; ary Jehiela, zanak'i Hakmony, dia teo amin'ny zanaky ny mpanjaka;