18 ary ny lanjan'ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomeny koa ny sarin'ny kalesy, dia ny kerobima volamena, izay manana elatra mivelatra ka manaloka ny fiaran'ny faneken'i Jehovah.
19 Izany asa rehetra araka ny sary izany, hoy Davida, no nampahafantarin'i Jehovah ahy tamin'ny soratra avy tamin'ny tànany, izay atỳ amiko.
20 Ary hoy koa Davida tamin'i Solomona zanany: Mahereza sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na mivadi-po; fa Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon'i Jehovah.
21 Ary indreo ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon'Andriamanitra; ary ao aminao hanampy amin'ny asa samy hafa rehetra ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra hankatò ny didinao.