6 Bera no zanakalahin'i Bala, izay nobaboin'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria; izy no loham-pirenen'ny Robenita.
7 Ary ny rahalahiny araka ny fokony avy, raha nisaina ny firazanan'ny fireneny, dia Jeiela lohany sy Zakaria
8 ary Bela, zanak'i Azaza, zanak'i Sema, zanak'i Joela, izay nonina tao Aroera hatrany Nebo sy Balameona.
9 Ary nonina tany atsinanana hatrany akaikin'ny efitra ka hatramin'ny ony Eofrata izy; fa ny ombiny aman'ondriny nihamaro teny amin'ny tany Gileada.
10 Ary tamin'ny andron'i Saoly dia niady tamin'ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day eran'ny ilany atsinanana rehetra amin'i Gileada izy.
11 Ary ny taranak'i Gada nonina tandrifiny, teny amin'ny tany Basana hatrany Saleka;
12 Joela no lohany, dia Safama no manarakaraka, dia Janay sy Safata tany Basana.