18 Ary ho zavatra kely ihany eo imason'i Jehovah izany; fa hanolotra ny Moabita eo an-tananareo koa Izy.
19 Ary handrava ny tanàna mimanda rehetra sy ny tanàna soa rehetra ianareo sady hikapa ny hazo tsara rehetra sy hanampina ny loharano rehetra ary hanipy vato amin'ny tany soa rehetra ho fanimbana azy.
20 Ary nony maraina, tokony ho tamin'ny fotoana fanaterana ny fanatitra, dia, indro, nisy rano tokoa tonga avy tamin'ny lalana mankany Edoma, ka feno rano ny tany.
21 Ary rehefa ren'ny Moabita rehetra fa avy miakatra hiady aminy ireo mpanjaka ireo, dia nivory izy hatramin'izay rehetra nahatam-piadiana no ho miakatra, ka dia niandry teo amin'ny sisin-taniny.
22 Ary nony nifoha maraina koa ny Moabita, sady efa niposaka ny masoandro ka nitaratra tamin'ny rano, dia hitany ny rano tandrifiny fa mena tahaka ny rà.
23 Dia hoy izy: Rà io! efa nifandringana tokoa ireo mpanjaka ireo, ary efa nifamely izy rehetra; koa mamaboa amin'izao, ry Moaba!
24 Kanjo nony efa tonga teo an-tobin'ny Isiraely izy, dia nitsangana ny Isiraely ka namely ny Moabita, dia nandositra teo anoloany ireo; fa ny Isiraely niditra hatrany amin'ny tanin'ny Moabita ka mbola namely azy ihany.