32 Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany.
33 Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah.
34 Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin'ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin'ny vavany, ary ny masony tamin'ny masony, ary ny tànany tamin'ny tànany, ka dia nafana ny tenan'ny zazalahy.
35 Dia niasa-dia tao an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy, ary nihiratra ny masony.
36 Ary Elisa niantso an'i Gehazy ka nanao hoe: Antsoy ilay Sonemita. Dia nantsoiny izy. Ary rehefa tafiditra tao aminy izy, dia hoy Elisa: Raiso ny zanakao.
37 Dia niditra ravehivavy ka niantoraka tamin'ny tongony sady niankohoka tamin'ny tany, dia nandray ny zanany izy ka lasa nivoaka.
38 Ary Elisa niverina nankany Gilgala; ary nisy mosary tamin'ny tany; ary ny zanakalahin'ny mpaminany nipetraka teo anatrehany, ka hoy izy tamin'ny zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, ary mahandroa hanina ho an'ny zanakalahin'ny mpaminany.