30 Ary nony nandre ny tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary nitsangantsangana teny ambonin'ny manda izy, ka hitan'ny olona fa, indro lamba fisaonana no nataony manolo-koditra.
31 Dia hoy izy: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hotapahina anio ny lohan'i Elisa, zanak'i Safata.
32 Fa Elisa nipetraka tao an-tranony, ary ny loholona nipetraka tao aminy; ary ny mpanjaka naniraka olona avy teo aminy; fa raha tsy mbola tonga tany amin'i Elisa iny iraka iny, dia hoy izy tamin'ny loholona: Hitanareo va ny nanirahan'ity zanaky ny mpamono olona ity hanapaka ny lohako? Izahao, ka raha avy ny iraka, dia arindrino ny varavarana, ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aoriany koa va ny fingadongadon'ny tongotry ny tompony?
33 Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, nidina nankao aminy ny iraka ka nanao hoe: Indro, izao loza izao avy amin'i Jehovah; ka inona intsony no anantenako an'i Jehovah?