2 Samoela 12:3-9 MG1865

3 fa ilay malahelo kosa tsy nanana na inona na inona afa-tsy zanak'ondry vavy kely iray monja izay novidiny; ary nokolokoloiny tsara io ka nitombo teo aminy sy ny zanany; fa tamin'ny hanin-kelin-dralehilahy no nihinanany, ary tamin'ny kapoakany no nisotroany, sady notrotroiny teo an-tratrany izy ka nataony toy ny zananivavy.

4 Ary nisy vahiny tonga tao amin'ilay manan-karena, nefa ny ondriny aman'osiny sy ny ombiny notsitsiny ka tsy nangalany hatao nahandro ho an'ilay vahiny tonga tao aminy; fa ny zanak'ondry vavin'ilay malahelo kosa no nalainy, ka dia nataony nahandro ho an'ilay olona tonga tao aminy.

5 Dia nirehitra mafy ny fahatezeran'i Davida tamin'izany olona izany, ka hoy izy tamin'i Natana: Raha velona koa Jehovah, tsy maintsy hatao maty izay olona nanao izany;

6 ary ilay zanak'ondry vavy tsy maintsy honerany efatra heny noho ny nanaovany izany zavatra izany sy noho ny tsy namindrany fo.

7 Dia hoy Natana tamin'i Davida: Hianao no izy. Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely ka namonjy anao ho afaka tamin'ny tànan'i Saoly;

8 ary nomeko anao ny tranon'ny tomponao sy ny vadin'ny tomponao ho andefimandrinao, ary nomeko anao koa ny firenen'Isiraely sy Joda; ary raha mbola tsy ampy ho anao izany, dia ho nomeko bebe kokoa ianao;

9 koa nahoana ianao no nanamavo ny tenin'i Jehovah ka nanao izay ratsy eo imasony? Oria Hetita nasianao ny sabatra, ary ny vadiny nalainao ho vadinao. Eny, efa novonoinao tamin'ny sabatry ny taranak'i Amona izy.