34 Fa Absaloma nandositra. Ary ny zatovo mpitily nanopy ny masony ka nahita fa, indreo nisy olona maro avy teo ivohony, teo anilan'ny tendrombohitra.
35 Ary hoy Jonadaba tamin'ny mpanjaka: Indreo, avy ny zanakalahin'ny mpanjaka, dia araka ny nolazain'ny mpanomponao tokoa.
36 Ary nony efa voalazany izany teny izany, dia indreo, tonga ny zanakalahin'ny mpanjaka, ary nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary ny mpanjaka sy ny mpanompony dia mba nitomany mafy dia mafy koa.
37 Fa Absaloma nandositra nankany amin'i Talmay, zanakalahin'i Amihoda, mpanjakan'i Gesora. Ary nisaona ny zanany mandrakariva Davida.
38 Ary Absaloma efa nandositra nankany Gesora ka nitoetra tany telo taona.
39 Ary Davida mpanjaka naniry hivoaka hankany amin'i Absaloma; fa nionona izy noho ny amin'i Amnona, satria efa maty izy.