2 Samoela 14:11-17 MG1865

11 Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, ry mpanjaka ô, aoka ianao hahatsiaro an'i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ny mpamaly ratsy hamono intsony, fandrao mamono ny zanako izy. Dia hoy ny mpanjaka: Raha velona koa Jehovah, tsy hisy ho latsaka amin'ny tany na dia singam-bolo iray akory aza amin'ny zanakao.

12 Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, aoka kely ny mpanompovavinao hanao teny indraim-bava monja amin'ny mpanjaka tompoko. Ary hoy izy: Lazao ary.

13 Dia hoy ravehivavy: Nahoana ianao no nihevitra toy izany hamely ny olon'Andriamanitra? Fa amin'ny, itenenan'ny mpanjaka izany zavatra izany, dia toa mahavoa ny tenany ihany izy noho ny tsi-fampodian'ny mpanjaka ilay noroahiny.

14 Fa tsy maintsy maty isika ka ho tahaka ny rano raraka amin'ny tany, izay tsy azo raofina intsony; ary Andriamanitra tsy manala ain'olona, fa mihevitra izay tsy hanariany ilay noroahiny.

15 Fa izaho no tonga hilaza izany zavatra izany amin'ny mpanjaka tompoko, ny olona no nampitahotra ahy: ary hoy izaho mpanompovavinao: mba holazaiko amin'ny mpanjaka izany; fa angamba ny mpanjaka hanao izay angatahin'ny mpanompovaviny.

16 Eny, ny mpanjaka hihaino ka hamonjy ny mpanompovaviny ho afaka amin'ny tanan'ny lehilahy izay ta-hamongotra ahy mbamin'ny zanako hiala amin'ny lova nomen'Andriamanitra.

17 Dia hoy ny mpanompovavinao: Hahazoako fiononana anie ny tenin'ny mpanjaka tompoko; fa ta-haka Ilay Anjelin'Andriamanitra ny mpanjaka tompoko ka mandinika izay soa sy ratsy; koa Jehovah Andriamanitrao anie ho aminao.