7 Ary, indreo, ny mpianakavy rehetra nanangana ady tamiko mpanompovavinao ka nanao hoe: Atolory ilay namely ny rahalahiny, fa hataonay maty izy noho ny ain'ny rahalahiny izay novonoiny ka dia hovonoinay koa ny mpandova; ka hovonoiny koa ny vainafoko sisa, ka tsy hamelany anarana na zanaka ho an'ny vadiko etỳ ambonin'ny tany.
8 Ary hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy: Modia ianao; fa izaho no handidy ny amin'izany.
9 Ary hoy ravehivavy avy any Tekoa tamin'ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho amiko ny heloka sy ho amin'ny ankohonan'ny raiko; fa ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny.
10 Dia hoy ny mpanjaka: Na zovy na zovy manisy teny anao, ento etỳ amiko, dia tsy haninona anao intsony izy.
11 Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, ry mpanjaka ô, aoka ianao hahatsiaro an'i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ny mpamaly ratsy hamono intsony, fandrao mamono ny zanako izy. Dia hoy ny mpanjaka: Raha velona koa Jehovah, tsy hisy ho latsaka amin'ny tany na dia singam-bolo iray akory aza amin'ny zanakao.
12 Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, aoka kely ny mpanompovavinao hanao teny indraim-bava monja amin'ny mpanjaka tompoko. Ary hoy izy: Lazao ary.
13 Dia hoy ravehivavy: Nahoana ianao no nihevitra toy izany hamely ny olon'Andriamanitra? Fa amin'ny, itenenan'ny mpanjaka izany zavatra izany, dia toa mahavoa ny tenany ihany izy noho ny tsi-fampodian'ny mpanjaka ilay noroahiny.