3 dia haveriko ho etỳ aminao ny vahoaka rehetra miankina amin'io lehilahy tadiavinareo io ny hiverenan'ny vahoaka rehetra, ka dia hiadana ny olona rehetra.
4 Ary sitrak'i Absaloma sy ny loholon'ny Isiraely rehetra izany.
5 Kanefa hoy Absaloma: Mba antsoy kosa Hosay Arkita, ary aoka ho rentsika koa izay teniny.
6 Ary nony tonga teo amin'i Absaloma Hosay dia hoy Absaloma taminy: Izao no hevitr'i Ahitofela; ka hanao araka ny teniny va isika? Sa ahoana kosa no hevitrao?
7 Ary hoy Hosay tamin'i Absaloma: Tsy mety ny hevitra nataon'i Ahitofela tamin'ity.
8 Ary hoy kosa Hosay: Hianao mahalala ny rainao sy ny olony, fa olona mahery izy sady masiaka tahaka ny bera very anaka any an-tsaha; ary lehilahy mpiady rainao ka tsy miara-mitoetra amin'ny vahoaka raha alina.
9 Fa, indro, miery any an-davaka anankiray izy izao, na ao amin'ny fitoerana hafa; ka raha misy resiny amin'ny voalohany, izay mandre izany dia hanao hoe: Nahafatesana ny olona manaraka an'i Absaloma,