20 Ary hoy izy tamin'ny mpanjaka: Aoka tsy hisain'ny tompoko heloka aho, ary aoka tsy hotsarovanao ny ratsy nataon'ny mpanomponao tamin'ny andro nivoahan'ny mpanjaka tompoko niala tany Jerosalema, ary aoka tsy ho eritreretin'ny mpanjaka izany;
21 fa fantatro, izaho mpanomponao, fa nanota aho; ka he! izaho no avy voalohany androany amin'ny taranak'i Josefa rehetra ka nidina hitsena ny mpanjaka tompoko.
22 Fa namaly Abisay, zanak'i Zeroia, ka nanao hoe: Tsy hovonoina va Simey noho izany, satria efa nanozona ny voahosotr'i Jehovah izy?
23 Dia hoy Davida: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak'i Zeroia, no tonga mpanohitra ahy ianareo anio? Tokony hisy olona hatao maty va eto amin'ny Isiraely izao? Fa moa tsy fantatra va fa izaho no mpanjakan'ny Isiraely anio?
24 Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'i simey: Tsy ho faty ianao. Ary ny mpanjaka dia nianiana taminy.
25 Ary Mefiboseta, zanakalahin'i Saoly, nidina hitsena ny mpanjaka, ary tsy nanasa tongotra na namboatra volom-bava na nanasa lamba izy hatramin'ny andro nialan'ny mpanjaka ka hatramin'ny andro nahatongavany soa aman-tsara.
26 Ary nony efa tonga hitsena ny mpanjaka ny avy any Jerosalema, dia hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no tsy mba nandeha niaraka tamiko ianao, ry Mefiboseta?