1 Ary rehefa afaka izany, Davida dia nanontany tamin'i Jehovah hoe: Hiakatra ho any amin'ny tanànan'ny Joda anankiray va aho? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara. Ary hoy Davida: Any aninona no hiakarako? Dia hoy Izy: Any Hebrona.
2 Dia niakatra nankany Davida mbamin'ny vadiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin'i Nabala Karmelita.
3 Ary ny olona izay tao amin'i Davida mbamin'ny ankohonan'ireo dia samy nentiny niakatra koa, ka nonina tao amin'ny tanàna momba an'i Hebrona izy ireo.
4 Ary dia avy ny lehilahy amin'ny Joda ka nanosotra an'i Davida tao mba ho mpanjaka amin'ny taranak'i Joda. Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Ny olona any Jabesi-gileada no nandevina an'i Saoly.