15 Dia nisy nitsangana ka nita, dia roa ambin'ny folo lahy tamin'ny Benjamina, izay an'Isboseta, zanak'i Saoly, ary roa ambin'ny folo lahy koa tamin'ny mpanompon'i Davida.
16 Ary izy rehetra samy nifanavika nifampihazon-doha ka nifandefon-tehezana tamin'ny sabatra, dia niara-nikarapoka; koa izany no nanaovana izany fitoerana ao Gibeona izany hoe Helkata-hazorima.
17 Ary mafy ny ady tamin'izany andro izany; ary dia resy teo anoloan'ny mpanompon'i Davida Abnera sy ny lehilahy amin'ny Isiraely.
18 Ary mba teo koa izy telo lahy zanak'i Zeroia, dia Joaba sy Abisay ary Asahela; ary Asahela dia haingan-tongotra tahaka ny gazela any an-efitra.
19 Ary Asahela nanenjika an'i Abnera, ka ny fandehany nanenjika an'i Abnera dia tsy nivily akory na tamin'ny ankavanana na tamin'ny ankavia.
20 Ary Abnera niherika ka nanao hoe: Hianao moa izany, no Asahela? Dia hoy izy: Izaho ity.
21 Dia hoy Abnera taminy: Mivilia ianao, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, ary zatovo anankiray no sambory, ka baboy ho anao izay eny aminy rehetra. Fa Asahela tsy nety nivily, fa nanenjika azy ihany.