13 Ary nisy telo lahy samy malaza avy tamin'ny telo-polo lahy nidina ka tonga tao amin'i Davida tao amin'ny zohin'i Adolama nony fararano; ary ny miaramilan'ny Filistina nitoby teo amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
14 Ary Davida dia tao amin'ny batery fiarovana tamin'izay, ary ny miaramilan'ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
15 Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin'ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin'ny vavahady!
16 Ary ireo telo lahy mahery namaky teo amin'ny miaramilan'ny Filistina ka nanovo rano tamin'ny fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan'ny vavahady, dia nentiny ho any amin'i Davida; kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an'i Jehovah iny.
17 Fa hoy Davida: Sanatria, Jehovah ô, raha hanao izany aho; tsy ran'ny lehilahy izay nandeha nanao vy very ny ainy va ity? Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon'ireo telo lahy mahery ireo.
18 Ary Abisay, rahalahin'i Joaba, zanak'i Zeroia, no lehibe amin'izy telo lahy, ary izy namely ny telon-jato lahy tamin'ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin'izy telo lahy.
19 Tsy izy va no be voninahitra noho izy telo lahy? Fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby ny telo lahy teo izy.