20 Ary Benaia, zanak'i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be, izy no namono ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy no nidina ka namono ny liona tao an-davaka fantsakana tamin'ilay andro nisy oram-panala iny;
21 ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry be; ary ilay Egyptiana nitondra lefona teny an-tànany, nefa namorotsahan'i Benaia tamin'ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan'ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
22 Izany no nataon'i Benaia, zanak'i Joiada, ary tamin'izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
23 Izy no nalaza noho ny telo-polo lahy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy. Ary Davida nanendry azy ho isan'ny mpanolo-tsaina azy.
24 Asahela, rahalahin'i Joaba, no anankiray amin'ny telo-polo, ary Elanana, zanak'i Dodo, avy any Betlehema,
25 Sama Harodita, Elika Harodita,
26 Heleza Paltita, Ira, zanak'Ikesy Tekoita,