12 Dia fantatr'i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan'ny Isiraely ka nanandratra ny fanjakany noho ny amin'ny Isiraely olony.
13 Ary Davida mbola naka vaditsindrano sy vady koa tany Jerosalema, rehefa tonga avy tany Hebrona izy; ary dia nisy zanakalahy sy zanakavavy koa naterak'i Davida.
14 Ary izao no anaran'ny naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
15 sy Jibara sy Elisoa sy Nafega sy Jafia
16 sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta.
17 Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosoran'ny olona ho mpanjakan'ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra; fa raha ren'i Davida izany dia nidina tao amin'ny batery fiarovana izy.
18 Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.