15 Ary Davida sy ny taranak'i Isiraely rehetra nampakatra ny fiaran'i Jehovah tamin'ny hoby sy ny feon'ny anjomara.
16 Ary nony tonga teo an-Tanànan'i Davida ny fiaran'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.
17 Ary nampiditra ny fiaran'i Jehovah ny olona ka nametraka azy teo amin'ny fitoerany tao amin'ny lay izay naorin'i Davida hitoerany; ary Davida nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah.
18 Ary nony voatitr'i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy.
19 Dia nomeny mofo iray sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka iray avy ny olona rehetra, dia ny Isiraely rehetra, na lahy na vavy. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.
20 Ary Davida koa mba nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin'i Saoly, nivoaka hitsena an'i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan'ny Isiraely androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason'ny zanakavavin'ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra.
21 Ary hoy kosa Davida tamin'i Mikala: Teo anatrehan'i Jehovah, Izay nifidy ahy noho ny rainao sy ny ankohonany rehetra ka nanendry ahy ho mpanapaka ny Isiraely, olon'i Jehovah, eny, teo anatrehan'i Jehovah no nitsinjahako.